VOATOLOTRA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA

Laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana ny hahafahan'ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao. Manohy ny ezaka ataony ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fanomezana fitsaboana manaraka ny fenitra sy manakaiky hatrany ny vahoaka, amin'ny alalan'ny fanamafisana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana.

Voatolotra tamin'ny fomba ofisialy ny Tobim-pahasalamana Fototra "CSB II Amparihilava Marovoay", izay hanatsara ny fahafahan'ny mponina misitraka tolotra ara-pahasalamana manara-penitra sy manakaiky azy.

 

Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP), Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, ny Solombavam-bahoaka ao amin'ny Distrikan'i Marovoay, ny Lehiben'ny Distrikan'i Marovoay, ny Talen'ny Kabinetran'ny Governoran'i Boeny, Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Boeny, Andriamatoa Ben'ny Tanànan'i Amparihilava, Andriamatoa Médecin Inspecteur Marovoay, ary ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, indrindra ireo mpiasan'ny fahasalamana

Ny Fitaleavana ny Serasera. 25-juil.-2026