ADY AMIN'NY VAROTRA FANAFODY TSY ARA-DALÀNA

DRSP BONGOLAVA – SDSP TSIROANOMANDIDY

Ho fiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka, dia notanterahina nandritra ny tsena Sabotsy tao Ankadinondry ny hetsika fanafoanana ny varotra fanafody ankalamanjana.

Vokatry ny fiaraha-mientan'ny mpiasan'ny fahasalamana, ny Kaominina ary ny Zandarimariam-pirenena no nahafahana nanatanteraka izany hetsika izany. Taorian'ireo fampitandremana nomena ireo mpivarotra voakasika herinandro mialoha dia nidina teny ifotony ireo tompon'andraikitra nijery sy nandray fepetra tamin'ireo izay mbola nanohy ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna.

Tsiahivina fa voafehin'ny lalàna ny fivarotana sy ny fitahirizana fanafody. Mety hampidi-doza ho an'ny fahasalaman'ny olona ny fanafody amidy amin'ny toerana tsy ara-dalàna, satria tsy manaraka ny fenitra takiana amin'ny fitahirizana izy ireny, ka mety hihena ny kalitaony sy ny fahombiazany, ary hampitombo ny loza ateraky ny fampiasana azy.

Manentana ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ny DRSP Bongolava mba hanamafy hatrany ny ady amin'ny varotra fanafody ankalamanjana, indrindra mandritra ny andro tsena, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa akaiky amin'ireo manampahefana eny ifotony.

Efa miorina rahateo ny fiaraha-miasa amin'ny Zandarimariam-pirenena manerana ireo kaominina, ary vonona hatrany izy ireo hanohana ny hetsika rehetra hiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary:DRSP BONGOLAVA - COMM. 25-juil.-2026