ZON'NY REHETRA NY MISITRAKA FAHASALAMANA - FANOLORANA TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA
Tanteraka ny Sabotsy 25 Jolay 2026 tolakandro ny fanolorana ho an’ny mponin’i Tsararano sy ny manodidina ny Tobim-pahasalamana Fototra (CSB II), entina hanakaiky kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.
Mazava ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny hanohy ny fametrahana paikady rehetra ahafahan’ny mponina misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao amin’ny alalan’ny fanamafisana ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana. Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka kosa dia manohy hatrany ny ezaka amin’ny fanomezana fitsaboana manaraka ny fenitra sy mifototra amin’ny maha olona.
Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP), Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, ny Solombavam-bahoakan’ny Distrikan’i Mahajanga I, Andriamatoa Préfet Mahajanga, Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Boeny, Andriamatoa Médecin Inspecteur Mahajanga I, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary:DRSP BOENY - COMM. 25-juil.-2026