FANATSARANA NY KALITAON'NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA BENENITRA : FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Rava vokatry ny rivodoza ny Tobim-pahasalamana CSBI Bohaky Haut ao amin'ny Kaominina Ianampera, Distrikan'i Benenitra. Mba hahafahana manohy ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka dia tranon'olontsotra no nampiasaina vonjimaika handraisana ireo marary nandritra ny fahasimbana.

Taorian'ny fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra nijery ny zava-misy dia hita fa tsy nahafeno ny fepetra takiana amin'ny maha tobim-pahasalamana azy intsony io toerana vonjimaika io.

Noho izany dia nohavaozina ny trano teo aloha, izay vokatry ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka UNICEF. Vita ankehitriny ny fanavaozana ka natolotra indray ho an'ny vahoaka hampiasaina.

Ity fotodrafitrasa nohavaozina ity dia natao hanomezana tontolo manara-penitra ho an'ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana mifototra amin'ny maha olona, ka ahafahan'ny mpiasan'ny fahasalamana miasa ao anatin'ny fepetra tsara kokoa ary ahafahan'ny mponina misitraka fitsaboana manakaiky sy tsara kalitao.

Anisan'ireo aretina tena fahita amin'ireo olona manatona ity CSB ity ny tazomoka sy ny aretina mifandraika amin'ny tsy fahampian-drano. Tsapa ihany koa fa ambony ny taha-pahavitrihan'ny mponina eny an-toerana amin'ny fampiasana ny toeram-pitsaboana, na dia eo aza ny halaviran'ny toerana.

Tonga nanolotra izany ho an'ny vahoaka ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Benenitra, Andriamatoa RADIMBISOLONDRAINY Severin Hervét, niaraka tamin'ireo fianakaviam-ben'ny fahasalamana tarihin'ny Médecin Inspecteur Dr. RAZAFINDRETSITY Tina Eliane Gabrielle.

Isaorana ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy amin'ny ezaka sy ny fanohanana mitohy amin'ny fanatsarana ny fahasalaman'ny mponina eny ifotony.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP ATSIMO ANDREFANA - COMM. 26-juil.-2026