Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FIOMANANA FIATREHANA NY VALAN’ARETINA

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny rafitra sy ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tontosa ny 18 octobra 2024 teny Androhibe ny lanonana fanolorana mari-pahaizana an'ireo mpiofana miisa 30 avy amin'ny faritra maro izay nahavita ny fiofanana mahakasika ny fiatrehana ny valan'aretina. Nanotrona izany ireo Tomponandraikitra avy ao amin'ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, AFD (Agence Française de Développement), Union européenne , COI(Commission de l’Océan Indien).    

                                                                                                                                                                                                 Anisan’ny tonga nanome voninahitra izany lanonana izany koa ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.

Avolenta, matianina ary mamaly ny filan'i Madagasikara ny fiofanana narahan'ireto andiany faha-4 ireto.

Ny "FETP-Frontline One Health" dia fiofanana vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka , ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny COI .               

Hampihatra avy hatrany ny fahalalana noratoviny manerana ny distrika hiasany avy izy ireo hiarovana ny vahoaka Malagasy amin'ny valan'aretina. 

 

Nisy ihany koa ny fanolorana  fitaovana ho entina manara-maso akaiky sy mamaly tsara ireo VONJY TAITRA ara-pahasalamana natolotra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana.

#FETP_Frontline  #One_Health #MSANP #MINAE #COI #INSPC #DGFS #DGMP #DVSSER #LA2M

18-oct.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités