NY FAHASALAMANA, ZON’NY REHETRA : ZOKIOLONA SALAMA
Résidence Tournesol Andoharanofotsy | 27 Jolay 2026
Zon’ny rehetra ny misitraka fahasalamana feno sy mendrika, tsy misy fanavahana. Mba hanatanterahana izany zo fototra izany dia manohy ny ezaka ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao, akaiky ny vahoaka ary mifanaraka amin’ny filàn’ny tsirairay.
Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona, dia nanamafy ny fanoloran-tenany amin’ny fikarakarana ireo zokiolona ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneraly misahana ny Tolotra Ara-pahasalamana (DGFS), niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina ary ny Fikambanan’ny Zokiolona eto Madagasikara (FIZOMA).
Nandritra izany hetsika izany dia nomena maimaimpoana ireo zokiolona ny tolotra ara-pahasalamana isan-karazany, ho fanamafisana ny fiahiana azy ireo sy ny fanamorana ny fahazoana fitsaboana.
Anisan’ireo tolotra nomena ny:
- Fizaham-pahasalamana ankapobeny,
- Fitsaboana maso sy fanomezana solomaso maimaimpoana,
- Fitsaboana ny aretin’ny tenda, sofina ary orona,
- Fitiliana sy fandraisana an-tanana ireo aretina mitaiza toy ny tosi-drà avo, diabeta, aretin’ny fo sy lalan-drà ary aretin’ny taolana,
- Fanarenana ara-batana ho fanatsarana ny fahasalamana sy ny fahafahana miaina an-davanandro.
Amin’ny alalan’ny hetsika tahaka izao no anehoan’ny Fanjakana fa mijoro hatrany amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, indrindra ireo sokajin’olona mila fiahiana manokana.
Ny fikarakarana ireo zokiolona dia maneho ny fanajana sy ny fankasitrahana ireo ray aman-dreny izay loharano nipoirana. Ny fanomezana azy ireo tolotra ara-pahasalamana tahaka izao dia endriky ny fiahiana sy ny firaisankina ho azy ireo.
Ny fahasalamana dia zo iombonan’ny rehetra.
Ny fikarakarana ny tsirairay anio no antoky ny Firenena salama, miray hina ary mandroso rahampitso.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DGFS 27-juil.-2026