FAMINTINANA NY ZAVA-BITA TAO AMIN’NY TETIKASA VALIN-KAFATRA MANOLOANA NY VALANARETINA MPOX NOTANTERAHIN’NY CROIX ROUGE MALAGASY

Le Pavé Analakely | 28 Jolay 2026

Notanterahin’ny Croix Rouge Malagasy tao amin’ny Le Pavé Analakely ny atrikasa famaranana ny tetikasa valin-kafatra manoloana ny valanaretina Mpox. Natao hanehoana sy handinihana ireo zava-bita nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa, ireo lesona azo noraisina ary ireo paikady hanamafisana ny fiatrehana ireo valanaretina amin’ny ho avy ity atrikasa ity.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa Andriamatoa RAVONIANDRO Rina Andrisoa, Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nisolo toerana vonjimaika ny Talen’ny DVSSER, Dr. RASEHENO Harinirina. Nanatrika izany ihany koa ireo mpandrindra ny Communication des Risques et Engagement Communautaire (CREC), notarihin’Andriamatoa Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana, ny solontenan’ny Federasiona Iraisam-pirenena Croix Rouge sy Croissant Rouge ao amin’ny Ranomasimbe Indianina, ny Tale misahana ny asa sy ny fanohanana eo anivon’ny Croix Rouge Malagasy, ary ny solontenan’ny Filohan’ny Croix Rouge Analamanga.

Naharitra enim-bolana, nanomboka tamin’ny volana Janoary 2026, ny fanatanterahana ny tetikasa, izay nandrakotra Distrika 12 manerana an’i Madagasikara. Anisan’ireo hetsika lehibe notanterahina ny fanohanana ara-tsaina, ny fanentanana faobe teny anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina, ny fitsidihana eny ifotony, ny fizarana fitaovana fidiovana sy fanadiovana, ary ny fandraisan’anjaran’ireo mpilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fanaraha-maso sy fanohanana ireo tranga voamarina.

Nandritra ny atrikasa dia nanaovana tombana ireo vokatra azo, nifampizarana ireo traikefa sy lesona noraisina, ary nodinihina ireo fanatsarana azo entina hanamafisana ny fahavononana sy ny valin-kafatra manoloana ireo hamehana ara-pahasalamana. Manamafy hatrany ny fiaraha-miasany amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Croix Rouge Malagasy, ho fanohanana ireo ezaka hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. 28-juil.-2026