ZON'NY VAHOAKA MISITRAKA FAHASALAMANA TSARA KALITAO - FIFANAMPIANA AVY AMIN'NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA
FANOLORANA NY TRANO NOHAVAOZINA SY NY FITAOVANA HO AN'NY SERVICE PÉDIATRIE TAO AMIN'NY CHU ANALANKINININA
Ny 29 Jolay 2026 dia fotoana manan-danja ho an'ny CHU Analankininina, satria notanterahina tamin'ny fomba ofisialy ny fanolorana ny trano nohavaozina sy ireo fitaovana vaovao ho an'ny Sampana Pédiatrie. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany.
Nanomboka tamin'ny volana Septambra 2025 ny asa fanavaozana ny trano. Nandritra izany anefa dia nandalo ny rivodoza Gezani, ka niteraka fahasimbana teo amin'ny fotodrafitrasa. Na teo aza izany sedra izany dia narenina sy nohavaozina indray ny trano, ka vita soa aman-tsara ankehitriny.
Ankoatra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa dia nahazo fitaovana maro sy manaraka ny fenitra ihany koa ny Sampana Pédiatrie, izay hanatsara ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireo zaza marary tonga ao amin'ny hopitaly.
Ity zava-bita ity dia maneho ny ezaka iarahan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy amin'ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana, mba hiantohana fa afaka misitraka fitsaboana manara-penitra sy mendrika ny ankizy sy ny vahoaka Malagasy.
Maneho ny fankasitrahany sy ny fisaorany ny CHU Analankininina ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany noho izao fiaraha-miasa sy fanohanana sarobidy izao, izay manamafy ny finiavana iombonana hanatsara hatrany ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : CHU ANALANKINININA TOAMASINA - COMM. 29-juil.-2026