Anjerimanontolo: 2 ANDRO FANENTANANA SY FANOVAM-BAKSINY MPOX
Ankatso, 30 jolay 2026
Ao anatin’ny ezaka hiarovana ny mpianatra amin’ny MPOX, dia nanomboka androany ny hetsika fanentanana sy fanaovam-baksiny goavana ho an’ny Anjerimanontolo eto Antananarivo.
Fiombonana eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika izay iarahamiasa amin’ny tompon’andraikitry ny Anjerimanontolo. Tanjona ny hampahafantatra ny mpianatra ny momba ny loza ateraky ny MPOX sy hanome ny vaksiny maimaimpoana mba ahafahan’izy ireo miatrika am-pilaminana ny fianarana.
Tena zava-dehibe ny fanabeazana. Ny toeram-ponenan’ny mpianatra no toerana tena mora iparitahan’ny aretina raha tsy mitandrina, ka manana andraikitra goavana amin’izany ny Fiadidim-paritry ny Fahasalamana Analamanga.
Mandritra izao 2 andro izao, dia hisy ny ekipa mpitsabo sy mpanentana hisahana izany eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso. Ankoatra ny vaksiny, dia hisy hatrany ny fanentanana, fampahafantarana ary fanontaniana arahina valiny mba hanafoanana ny tahotra sy ireo vaovao diso mety mahatonga fisalasalana ho an’ireo mpianatra.
Ankoatran’ny fianarana izay ratovin’ireo tanora dia fanamby ihany koa ny fahaizan’ireo mpianatra mifehy sy misoroka ny valanaretina amin’ny fotoana rehetra indrindra fa ny MPOX.
Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka dia maneho fankasitrahana ho an'ireo mpiara-miombon'antoka ny amin'ny fiaraha-mientana amin'ny ady atao amin'ny fanapahana ny rojom-pifandraisana amin'ity valanaretina Mpox ity.
#MiaroTena #MiaroNyHafa #UniversitéAnkatso #PolytecngiqueVontovorona #MESUPRES #STRIDES #USEMBASSY
Ny Fitaleavana ny Serasera. 30-juil.-2026