Fitokanana fotodrafitrasa vaovao ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao Toamasina.

Ho fanatsarana hatrany ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana hatolotra ny vahoaka indrindra eo amin'ny lafiny fanaovam-baksiny sy ny fisorohana ny aretina, dia notanterahina androany ny fitokanana : ny efitrano fanaovam-baksiny ao amin'ny CSB II Tanambao Verrerie, ny toerana fiandrasana, sy ny efitrano fandraisana singa hanaovana fitiliana ho fanaraha-maso ny aretina, narahina fitsidihana ny asa fanavaozana ny trano fanaovam-baksiny ao amin'ny CSB II Ankirihiry, SDSP Toamasina I. Ny lanonana dia notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira niaraka tamin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao Toamasina ary ireo mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Zanakin'ny Faritra Antsiranana (FITEFA) sy ireo mpiara-miombon'antoka nanampy tamin'ny fananganana izao fotodrafitr'asa izao. Izao hetsika izao dia manamafy ny ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fanomezana fikarakarana mendrika sy manaja ny maha olona ho an'ny vahoaka tsivakivolo.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DRSP ATSINANANA - COMM 02-août-2026