FITSIDIHANA SY FANARAHA-MASO NY FANARENANA NY TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA (CSB II) ANTETEZAMBARO - SDSP TOAMASINA II

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanarenana ny CSB II Antetezambaro, taorian'ny fahasimbana nateraky ny fandalovan'ny rivo-doza GEZANI. Tonga mijery ny fandrosoan'ny asa fanarenana tao amin'ity tobim-pahasalamana ity Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana. Fotodrafitrasa mafy orina, natao hahazaka ny loza voajanahary no natsangana, mba hiantohana ny fitohizan'ny tolotra ara-pahasalamana sy hanomezana fahafaham-po ny vahoaka eo amin'ny sehatry ny fahasalamana. Izao fanarenana izao dia maneho ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hanatsarana ny kalitaon'ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy hampitombo ny fahavononana hiatrika ireo loza mety hitranga amin'ny ho avy, mba hahafahan'ny vahoaka misitraka hatrany tolotra ara-pahasalamana mitohy sy tsara kalitao amin'ny fotoana izay ilan'izy ireo izany.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny fitaleavan'ny Serasera. Sary : DRSP ATSINANANA - COMM 02-août-2026