FITSABOANA MANANTONA NY VAHOAKA TAO AMIN'NY DISTRIKAN'I SAINTE-MARIE
Ao anatin'ny fanatanterahana ny fandaharanasan'ny Fitondram-panjakana eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, dia mampiatra ireo paikady marolafy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka hitondrana ireo tolotra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka. Izany hetsika izany dia notanterahina nandritra ny andro vitsivitsy, nitondrana ireo fitsaboana manantona ny vahoaka ho fijerena manokana ireo olona marefo ara-pahasalamana na koa ireo marary tsy afaka manantona ny Tobim-pahasalamana, tao anatin'ny Fokontany miisa 17, ao amin'i Distrikan'i Nosy Boraha. Nitety ireo vohitra sy zanabohitra rehetra iny, ireo mpiasan'ny fahasalamana, ka ireto avy ireo tolotra ara-pahasalamana notanterahina tao anat'izany : ny fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeny, ny fitiliana diabeta sy VIH, ny fizahana ny tosidrà, ny fanaovana vaksiny maro samy hafa fa indrindra ny hisorohana amin'ny MPOX ary ny fanomezana torohevitra ara-pahasalamana. Hita nandritra izany fa mbola maro ireo olona voan'ny fiakaran'ny tosidrà sy ireo zokiolona mila fitsaboana sy fanaraha-maso manokana. Noho izany dia hotohizana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso azy ireo mba hahazoan'ny tsirairay fitsaboana sahaza azy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny fitaleavan'ny Serasera . Sary : DRSP ANALANJIROFO - SDSP SAINTE MARIE - COMM 04-août-2026