ISOROHANA AMIN'NY ARETINA VIH/SIDA - FIARAHA MIENTAN'NY SEHATRA REHETRA - MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

Fototra iray iorenan'ny paikady amin'ny fisorohana ny aretina napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny fanentanana ara-pahasalamana marolafy misandrahaka amin'ny sehatra rehetra, izay heverina mifampikasoka matetika amin'ny vahoaka.

Anisan'izany ireo mpitandro filamanana, izy ireo izay manakaiky sy hita eny amin'ny fiaraha-monina, izany tokoa no nanaovana ny hetsika fiaraha mientana ho fanamafisana ny fanentanana amin'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny VIH-SIDA sy ny Mpox eto Antananarivo.

Tanteraka tamin'ny andron'ny 03 aogositra moa ny fanentanana notanterahan’ny ekipan'ny Fandaharan'asa nasionaly misahana ny ady atao amin’ny VIH/Sida (PNLIS), ary anisan'ny noresahana tamin'izany ihany koa ny mahakasika ny MPOX, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary ny "ONG Réseau Mad’aids", ka ireto avy no lohahevitra nifampizarana tamin’izany :

Ny zava-misy ankehitriny momba ny IST VIH/Sida sy MPOX eto Madagasikara.

Ny fomba hahazoana ny IST VIH/Sida sy MPOX na ny fomba fifindrany.

Ny fomba fisorohana ny fifindran’ny IST VIH/Sida sy MPOX.

 

Taorian’ny fanentanana dia niroso avy hatrany amin’ny fanaovana fitiliana ireo mpitandro filamanana mba hahafantarany ny toe-pahasalaman'izy ireo.

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : PNLIS 13-août-2026