FAMPITAOVANA HO AN'NY FITSABOANA TSARA KALITAO
Noho ny ezakin'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira ny amin'ny fisitrahana sy fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara dia :
Tsy diso anjara ny Hopitalibe Androva Mahajanga amin'izao ankatokin'ny fankalazany ny faha-15 taona nitondrany ny anarana : "CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Professeur ZAFISAONA GABRIEL" izao, izay mampitombo hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho sitrahan'ny vahoakan'ny Mahajanga ihany koa.
Misy ny fampitaovana ho fananatsarana ny tolotra fandidiana toy ny : "Endoscopie bronchique" sy "O.R.L".
Izany hoe : ahafahana manao fitiliana sy fitsaboana, ka afaka mitsabo izay tsy mila fandidiana intsony arakaraky ny aretina.
Mijery " eo amin'ny "écran" amin'ny alalan'ny "vidéo", satria ilay fitaovana miditra any anaty vatana dia misy ny ataontsika hoe "caméra".
Anisany fanatsarana ihany koa ny fampidirana Internet manerana ny Sampan-draharaha "Services" rehetra ao amin'ny CHUPZAGA.
CHUPZAGA Androva miroso hatrany amin'ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : CHU PZaGa Androva Mahajanga 04-août-2026