Fanamafisana ny ady amin'ny VIH/SIDA sy ny fampitomboana ny famatsiam-bola ho an'ny fahasalamana sy ny Zo ara-pananahana (SDSR).
Atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo Solombavambahoaka momba ny ady amin'ny VIH/SIDA sy ny haitaky ho fampitomboana ny tetibola natokana ho an'ny Fahasalamana sy ny Zo ara-pananahana (SDSR) ao anatin'ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana (LFI), natao tao amin'ny Carlton Anosy ny 28 sy 29 Jolay 2026 lasa teo.
Vokatra azo nandritra ity atrikasa ity dia :
ny fanamafisana ny fandraisan'anjaran'ny Parlemanta amin'ny haitaky ho fampitomboana ny famatsiam-bola anatiny ho an'ny fahasalamana sy ny ady amin'ny VIH/SIDA,
ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka ary ny famolavolana drafitra haitaky hanohanana ny fanapahan-kevitra momba ny tetibolam-panjakana.
tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny fanamafisana ny andraikitry ny Solombavambahoaka amin'ny fanaraha-maso ny fampiasana ny tetibolam-panjakana sy ny fanohanana ny famatsiam-bola maharitra ho an'ny VIH/SIDA sy ny SDSR, mba hiantohana ny fitohizan'ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fiarovana ny zon'ny vahoaka.
Ny fampiasam-bola amin'ny fahasalamana ankehitriny no antoky ny vahoaka salama sy ny fampandrosoana maharitra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.sary :Direction de la Santé Familiale 04-août-2026