lever_drapeaux
Lahatenin'ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY
AKON'NY FANANGANAN-TSAINA - Ambohidahy, 21 Oktobra 2024

Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny "Colloque" momba ny VIH/SIDA ny Minisitra. Haharitra telo andro ao amin'ny CCI Ivato ary hampiroborobo ny ady amin’ity aretina ity, indrindra eo amin’ireo firenena manamorona ny Ranomasimbe Indiana.
Notsiahiviny ihany koa ny adidy lehibe miandry ny ray aman-dreny amin'ny fampiharana ny fanaovam-baksiny amin'ny zanany. Tanjon’ny fanjakana ny hisitrahan’ny ankizy Malagasy rehetra ny vaksiny ilaina mba hiarovana azy ireo amin'ny aretina mahafaty.
Notsindrian'ny Minisitra ihany koa ny fitohizan’ny ezaka sy ny fanatsarana hatrany ny rafitra sy ny tolotra ara-pahasalamana eto amin’ny firenena.
Fanendrena Tompon'andraikitra Vaovao ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Nampahafantatra anio koa ny Minisitra ny fanendrena vaovao teo anivon’ny Ministera:
- RAZAFINDRANTO Zafindralambon’i Ndriana, talen’ny CACSU vaovao.
- RAKOTOSON Heritiana Alain, talen’ny DRH vaovao.
- Prof. TIARAY Arson Michel, talen’ny Programme National Tuberculose.
Ireo fanendrena ireo dia natao hanamafisana ny fandrindrana sy ny fitantanana ny asa eo amin’ny sehatra ara-pahasalamana eto amin’ny firenena.
SCM/DIRCOM 21-oct.-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...