KAOMININA ANOSIZATO ANDREFANA-DISTRIKA ATSIMONDRANO : HETSIKA SOSIALY 2 SOSONA
FANOMBOHANA OFISIALY NY HETSIKA FANAMAFISANA NY FANAOVAM-BAKSINY FANOMBOHANA NY FORAZAZA FAOBE ETO MADAGASIKARA
Nivoitra nandritra ny lahateny nifanesy ny fisaorana manokana an'Andriamatoa Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA , ny amin'ny Fijerevana manokana ny Maha olona, ary ny fandraisan'andraikitra am-pitiavana, nasehon'dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara no sady Reny mpiahy ny Fanaovam-baksiny. Tsy adino ihany ko ny Gouvernemanta tarihin'Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian izay tsy mikely Soroka manatanteraka ny Politika ankapoben'ny Fanjakana.
Tontosa androany ny lanonana Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika sosialy maimaimpoana: fanamafisana ny Fanaovam-bakisiny sy ny fanombohana ny Forazaza faobe, notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo notronin'ireo Solombavam-bahoakan'i Madagasikara voafidy tao Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano, ny Ben'ny tananan'ny Anosizato Andrefana sy Ben’ny tanana maro ary ireo olom-panjakana sivily sy miaramila maro.
Ezaka lehibe ataon’ny fitondram-panjakana izao, ho an’ny fampandrosoana maharitra sy ho an’ny hoavin’ny taranaka. Hisy andiany telo misesy ny hetsika Fanamafisana ny Fanaovam-bakisiny andavanandro amin'ny ity taona 2025 ity ao amin'ny ireo Distrika 91 izay ahitana ny taha ambany amin'ny ny Fanaovana vakisiny sy fisiany ankizy latsaky 5 Taona mbola tsy nanao vakisiny mihitsy ary hanenika ny Faritra rehetra manerana eto Madagasikara kosa ny FORAZAZA FAOBE
Nitondra teny fisaorana hoan’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy Andriamatoa Ministra nandritra ny kabary satria tsy mikely soroka izy ireo manatona ny vahoaka “ Ankohonana salama, mifanome tanana ho an’ny Fampandrosoana"
Eo anilanao hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-Bahoaka
06-juin-2025