Fijerena ny maha-olona

FANAMPOIZINANA ARA-TSAKAFO : MITOHY NY FANDRAISANA AN-TANANA AIMAIMPOANA IREO MARARY AO AMIN'NY CHUJRA AMPEFILOHA

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana amin’ny "Fijerena ny maha olona", dia mitohy hatrany ny fitsaboana maimaimpoana sy ny fandraisan'andraikitra feno sy hentitra avy amin'ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny tranga fanapoizinana ara-tsakafo.

Ao anatin’izany, dia manohy amim-pahavitrihana hatrany manatanteraka ny adidiny amin-kitsimpo sy fahavononana tanteraka na andro na alina ho an’ny fanavotana aina ireo Mpiasan’ny fahasalamana

Marihina fa samihafa ireo hopitaly mandray ireo marary, misy moa izany ireo manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly tsy miankina

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

17-juin-2025

Zoom sur

Nos autres Activités