CHUSSP ANALAKELY - FAMETRAHANA RAFITRA ARA-KAJY MIRINDRA MANARA-PENITRA AMIN'IREO HOPITALIM-PANJAKANA
Dingana vaovao eo amin’ny tantaran’ny fahasalamam-bahoaka no nomarihin'ny Fitondram-panjakana, ho fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana "fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana " napetrakin'ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA.
Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin’ Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo dia nidina ifotony nametraka ny rafitra Ara-kajy Mirindra manara-penitra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana sy fitsaboana ary ny fitantanana mangarahara lavitry ny kolikoly.
Ity ezaka ity dia vokatrin'ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny Minisiteran’ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra tarihin-dRamatoa DELMOTTE Stéphanie izay fanatanterahana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa natao ny 14 Martsa 2025 tao amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Haitao Ara-kajy Mirindra teny Antaninarenina.
Dingana voalohany amin'ny fametrahana: CHUSSP Analakely sy CHUJRA Ampefiloha
Eo anilanao hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM 20-juin-2025