FANDRAISANA ARA-POMBA OFISIALY IREO MPIKAMBANA VAOVAO NY HOLAFITRY NY MPITSABO NIFY
Noraisin'Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Holafitry ny mpitsabo nify na " Ordre National des Odonto-Stomatologiques (ONOS)".
Ity fihaonana ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalaman'ny ati-vava sy ny nify.
Tanjona amin’izany ny Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ONOS, ho fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka sy ho fisorohana amin’ireo aretin’ny ati-vava sy ny nify.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM 20-juin-2025