FANOHANAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA SY FIKARAKARANA ARA-PAHASALAMANA HO AN’ ILAY RENIM-PIANAKAVIANA NIHARAN’NY HERISETRA

Taorian'ilay tranga nahitana herisetra niseho ny Alahady lasa teo, izay namoizana ain-jazakely iray vao iray volana sy tapany ary nahatonga fahavoazana ara-batana ho an'ny reniny, dia nandray an-tanana avy hatrany ny fikarakarana ara-pahasalamana ilay renim-pianakaviana ny CHRRD Faratsiho, tamin'ny alalan'ny Tahirim-bola Vonjy Taitra (Fonds d'Urgence), ka nahafahany nisitraka fitsaboana maimaim-poana.

Ankehitriny dia efa nafindra ao amin'ny CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA) izy, mba hanohizana ny fitsaboana manokana sy hahazoany ny fikarakarana rehetra mifanaraka amin'ny toe-pahasalamany.

Araka ny toromarika nomen'ny Fitondram-panjakana dia raisina an-tanana tanteraka ny fitsaboana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana rehetra ilain'ilay renim-pianakaviana. Etsy ankilany, miara-misalahy ireo rantsam-panjakana voakasika amin'ny fikarohana ny marina sy ny fanenjehana ireo tompon'andraikitra amin'izao tranga izao, araka ny fepetra voalazan'ny lalàna.

Ho fanehoana ny firaisankina sy ny fanohanan'ny Fitondram-panjakana dia tonga nijery akaiky ny fahasalaman'ilay renim-pianakaviana sady nampahery ny fianakaviany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin'ireo delegasiona avy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo solontena avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.

Manamafy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny ain'olombelona sy ny fahazoan'ny olom-pirenena rehetra fitsaboana haingana, indrindra amin'ny toe-javatra maika sy mampalahelo tahaka izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 05-août-2026