[CHU JRA] VONJY AINA : FITONDRAM-PANJAKANA MANAKAIKY NY VAHOAKA, MAMONJY AINA.

Vokatry ny fiakaran'ny ranomasina tao Mananjary dia olona efatra avy amin'ny fianakaviana samihafa no tra-doza raha nampiasa ny lavapiringa iraisana tao an-toerana.

Nentina haingana teny amin'ny CHRD Mananjary izy ireo, ary nandritra ny fizaham-pahasalamana natao no nahitana fa mila entina maika aty Antananarivo ny iray amin'izy ireo, i Tiavina, zazalahy 13 taona.

Raha vantany vao nahazo ny vaovao ny Fitondram-panjakana, tarihin'Andriamatoa Kôlonely Michaël RANDRIANIRINA, dia noraisiny avy hatrany ny fanapahan-kevitra ka nandefa fiaramanidina manokana hitondra ilay zaza hiakatra aty Antananarivo ny tenany mba hahafahany misitraka fitsaboana manokana hisorohana ny fahasarotana, ao anatin'ny fotoana fohy. Ilay marary iray hafa naratra teo amin'ny tongony kosa dia mbola tsaboina maimaimpoana ao amin'ny CHRD Mananjary, sady arahi-maso akaiky ny fivoaran'ny fahasalamany.

Rehefa nigadona teto Antananarivo i Tiavina dia noraisin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ary natao taminy avy hatrany ny fizaham-pahasalamana rehetra, anisan'izany ny fitarafana amin'ny "scanner" izay marihina fa fitaovana vaovao avy amin'ny Fitondram-panjakana fanavaozana izay tena miasa be tokoa Satria dia mahatratra hatrany amin’ny 250 isan-kerinandro ny filana tsy maintsy ataon’ity scanner ity, teo ihany koa ny "échographie".

Vokatry ny fitarafana dia voamarina fa tsy misy fahavoazana lehibe mampanahy ny toe-pahasalaman'ilay tovolahy, saingy mbola mila fanaraha-maso akaiky ataon'ireo mpitsabo izy mba hisorohana izay mety ho fahasarotana.

Tohina tanteraka ny rain'i Tiavina ka naneho fankasitrahana feno noho ny fandraisana andraikitra haingana nataon'ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Nambarany fa nahazo fitsaboana sahaza, fikarakarana feno ary fanohanana amim-pitiavana ny zanany, ka nanome toky sy fanantenana ny fianakaviany izany.

Mitohy ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny amin'ny fanomezana fitsaboana manakaiky ny vahoaka sy ny famaliana haingana ireo tranga vonjy taitra, mba hiarovana ny aina sy ny fahasalaman'ny Malagasy tsivakivolo.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 05-août-2026