PAIKADY FANATONANA NY VAHOAKA - FANOLORANA FITSABOANA MAIMAIMPOANA
Mametaka mazava ny Fitondram-panjakana fa laharam-pahamehana amin'ny fampandrosoana ny Firenena ny sehatry ny fahasalamana.
Maneho izany torolalana izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy isan-tsokajiny.
Anton'asa efa mipetraka manerana ny Nosy ny fanatanterahana ny atao hoe vavahady misokatra na "porte ouverte" ao amin'ireo HÔPITALIM-PANJAKANA rehetra, ohatra ny amin'izany ny tao Antsiranana.
???????????? ???????????????????????????????? ???? ???????????????????????????????????????????? : tonga maro ireo olona nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny hetsika « Varavarana Misokatra »
Maro ireo olona tonga nisitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana natolotry ny CHU Tanambao I Antsiranana, anisan’izany ny :
Fizaham-pahasalamana ankapobeny
Fandidiana "lipome"
Ortho-traumatologie
Fanaovana didim-poitra (circoncision)
Fitsaboana nify sy ny ati-vava
Fitiliana VIH/Sida
Fitsapana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà (glycémie)...
Amin’ny alalan’ny hetsika toy izao, dia manamafy ny finiavany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka hampiasa ireo loharano rehetra ananany, na ara-pitaovana na ara-pahaiza-manao, fa indrindra ara-olona, mba hahafahana manome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins - CHU TANAMBAO I ANTSIRANANA. 06-août-2026