FANJAKANA MIASA HO AN'NY FAHASALAMAN'NY VAHOAKA | Fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo Mpanentana ara-pahasalamana momba ny Fandrindrana Fiainam-pianakaviana (FFP) – Faritra Vatovavy

Ny Fanjakana, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, dia manohy mametraka ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana manerana an'i Madagasikara. Tafiditra ao anatin'izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpiasan'ny fahasalamana eny ifotony, mba hahafahan'ny Faritra tsirairay manolotra tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ary mifanaraka amin'ny filàna manokana eny anivon'ny fiaraha-monina.

Ao anatin'izany politika fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana izany, Mpanentana ara-pahasalamana (AC) miisa 39 avy amin'ny Distrikan'i Mananjary, Ifanadiana ary Nosy Varika no nahazo fiofanana momba ny fanomezana tsindrona Fandrindrana Fiainam-pianakaviana, ny 27 ka hatramin'ny 30 Jolay 2026, tao amin'ny Hôtel Picadow, Mananjary. Ity fiofanana ity dia natao hanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo AC amin'ny fanomezana tolotra Fandrindrana Fiainam-pianakaviana azo antoka, ho fanatsarana ny fidiran'ny vahoaka amin'ny tolotra ara-pahasalamana ilainy.

Amin'ny alalan'ity fanamafisana fahaiza-manao ity, hahazo tombontsoa mivantana ny vahoaka, amin'ny fahazoana tolotra Fandrindrana Fiainam-pianakaviana akaiky, tsara kalitao ary mifanaraka amin'ny filàna. Hahazo fanazavana mazava sy torohevitra sahaza azy ireo mpivady sy ny isam-batan'olona, ka afaka mandray fanapahan-kevitra amim-pahalalana momba ny fahasalamany sy ny hoavin'ny fianakaviany. Izany dia manampy betsaka ihany koa amin'ny fanatsarana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ary manamafy ny ezaky ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fanomezana fahasalamana manakaiky sy mitondra fiovana mivaingana ho an'ny vahoaka manerana ny faritra.

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DSFA 06-août-2026