LAHARAM-PAHAMEHANA NY FITONDRAM-PANJAKANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA NA AIZA NA AIZA MISY IREO VAHOAKA: FANOLORANA NY CSB II VINANIMASINA SDSP FANDRIANA
Vinanimasina Fandriana, Alakamisy 06 Aogositra 2026
Anisan'ny toerana midadasika sy be mponina ny any Ambadikivato. Teo aloha dia mandeha tongotra 15 km ny marary na ny mpiteraka vao afaka misitraka tobim-pahasalamana, ka rariny raha hisy izao fanolorana fotodrafitrasa ho an'ny vahoaka ao an-toerana izao.
Androany no natolotra tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny vahoaka ny CSB II Vinanimasina mba hanampy azy ireo amin'ny lafiny ara-pahasalamana.
Tonga nanolotra izany fotodrafitrasa izany ireo manam-pahefana ao amin'ny Faritra, Distrika ary Kaominina, izay notarihin'Andriamatoa Solontenan'ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania.
Nanotrona izany fotoana izany ny tompon'andraikitra sy ireo mpiasan'ny fahasalamana avy ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania.
Faly sy ravo ny mponina any Ambadikivato amin'ny fananana ity tobim-pahasalamana fototra vaovao ity ka velom-pisaorana ny mpitondra, satria izao tokoa no hitarafana ny atao hoe fanavaozana, manova tanteraka ny fiainan'ireo mpiara-belona any amin'ity toerana lavitra ity.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP AMORON'I MANIA - COMM 06-août-2026