FANAOVAN-TSONIA NY FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA EO AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA MALAGASY SY NY « LEFINITY INTERNATIONAL »

Zoma 07 Aogositra 2026, Lapam-panjakana Ambotsirohitra

« Zo fototry ny olom-pirenena ny hahazo fitsaboana sahaza, manaja ny maha-olona ary mifanaraka amin’ny filàny. Mendrika ny hisitraka rafitra ara-pahasalamana mahomby sy azo ianteherana eto an-tanindrazana ny vahoaka Malagasy », hoy Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.

Tanteraka soa aman-tsara androany ny lanonana ofisialy hanamarihana ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny « LEFINITY INTERNATIONAL », mpiara-miombon’antoka Indianina, izay miompana indrindra amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, indrindra ny fanadiovan-drà (dialyse), ary ny fanamafisana ireo tolotra ara-pahasalamana eny anivon’ireo Faritany enina eto Madagasikara.

Araka ny tombana, dia eo anelanelan’ny 500 hatramin’ny 3 000 ny isan’ireo marary mila fanadiovan-drà eto amin’ny Firenena. Izany indrindra no antony hanamafisana ny sehatry ny fahasalamana amin’ny alalan’izao fiaraha-miasa izao. Miaraka misalahy amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy ireo mpiara-miombon’antoka hamaliana ny filàn’ny vahoaka ao anatin’ny fotoana fohy.

Anisan’ny tanjona lehibe amin’izany ny fitsinjovana ny lafiny ara-bola, mba hampihenana ny saran’ny fitsaboana sy hahafahan’ireo marary misitraka izany tolotra izany haingana kokoa sy amin’ny fepetra sahaza.

Marihina fa hilatsaka ambany dia ambany ny ho saran’ny fanadiovan-drà amin’ity fiaraha-miasa ity.

Nohamafisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana handray am-pitiavana ireo fiaraha-miasa mikendry ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Nanentana ireo rehetra voakasiky ny tetikasa ihany koa izy mba hiara-hientana sy hanafaingana ny fanatanterahana izany ao anatin’ny fotoana voafetra, mba hahazoan’ny vahoaka tombontsoa sy fitsaboana maharitra.

Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlonely Michaël RANDRIANIRINA, ary nanotrona izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Monira MANAGNA, sy ireo delegasiona niaraka taminy. Hita tao ihany koa ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka avy amin’ny « LEFINITY INTERNATIONAL ».

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 07-août-2026