Fanamafisana ny paikady fampiroboroboana, fanatsarana, fampivoarana ary fampidirana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny sehatry ny fahasalamana

Notanterahina androany 07 Aogositra 2026 tao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambodahy ny fanaovan-tsonia ny Taratasy fifanarahana fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, izay nosoloin-dRamatoa Ministra, Dr. MANAGNA Monira, sy ny Chambre Économique Canada-Dubaï, nosoloin'Andriamatoa Vincent BERNIER, Filohan'ny Chambre Économique Canada-Dubaï.

Nanotrona izany fotoana izany ireo tompon'andraikitra ambony sy ny ekipan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ary ireo delegasiona avy amin'ny Chambre Économique Canada-Dubaï.

Ity fifanarahana fototra ity dia miavaka satria mandrakotra ny sehatry ny fahasalamana manontolo, anisan'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ary miompana amin'ny fananganana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa ary ny fampitaovana ara-kalitao. Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny fanamafisana ny asa fanatonana ny vahoaka eny ifotony amin'ny alalan'ny hopitaly "mobile".

Ny tanjona dia ny hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana manerana ny Nosy, mba hahafahan'ny vahoaka Malagasy misitraka fitsaboana tsara kalitao, mifanaraka amin'ny filàny sy ny fahefa-mividiny.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 07-août-2026