FANAMAFISANA NY RAFITRA NASIONALIN’NY LABORATOARA MPANARA-MASO ARA-PAHASALAMANA

08 Aogositra 2026 – Antsirabe, Faritra Vakinankaratra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe ny atrikasa fanombanana ny fampiharana ny Drafitra Stratejika Nasionaly ho Fampandrosoana ny Laboratoara Mpanara-maso (PSNDL) 2021-2025 sy ny famolavolana ny PSNDL 2026-2030.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanamafisana ny rafitra nasionalin’ny laboratoara mpanara-maso ity atrikasa ity. Manana anjara toerana stratejika amin’ny fitiliana, fanaraha-maso ary fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka ny laboratoara.

Mandritra ity atrikasa ity, ireo manam-pahaizana, tompon’andraikitra ara-teknika eo amin’ny sehatry ny laboratoara ary ireo mpiara-miombon’antoka dia mandinika ny zava-bita nandritra ny fampiharana ny PSNDL 2021-2025, ary mamantatra ireo fanamby, ny fomba fanao tsara ary ireo lesona noraisina.

Tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo solontenan’ireo LA2M avy amin’ny Faritra fito. Ny fandraisan’izy ireo anjara dia manan-danja amin’ny fampitàna ny zava-misy eny ifotony, ny fifampizarana traikefa ary ny famaritana ireo laharam-pahamehana tokony horaisina ao anatin’ny PSNDL 2026-2030.

Manana toerana lehibe eo anivon’ny rafitra ara-pahasalamana ny laboratoara, indrindra amin’ny fanamarinana ara-biolojika ireo aretina, ny fanohanana ny rafitra fanaraha-maso ny fiparitahan’ny aretina, ary ny fiomanana sy ny valin-kafatra manoloana ireo hamehana ara-pahasalamana, mifanaraka amin’ny Règlement Sanitaire International (RSI 2005).

Ny vokatra azo avy amin’ity fanombanana ity no ho fototra amin’ny famolavolana ny PSNDL 2026-2030, izay hifantoka indrindra amin’ny:

Fanamafisana ny kalitaon’ny laboratoara;
Fanatsarana ny biosécurité sy biosûreté;
Fampiroboroboana ny surveillance génomique;
Fanatsarana ny fitantanana ny vaovao ara-pahasalamana;
Fanamafisana ny fahafaha-mamaly haingana manoloana ireo loza mitatao ara-pahasalamana.

Nanome voninahitra sy nampahery ireo mpandray anjara tamin’ity atrikasa ity Andriamatoa Dr. TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc, Tale Jeneralin’ny Tolotra Ara-pahasalamana (DGFS), niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny mpiara-miombon’antoka.

Notsindriany tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny rafitra fitiliana ho fototra iray amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.

Maneho fisaorana manokana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, indrindra ny tetikasa STRIDES (Strengthening Infectious Disease Detection Systems), izay vatsian’ny Masoivohon’ny Firenena Amerikanina vola, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana izao atrikasa izao.

Ity fiaraha-miasa ity dia mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fanamafisana ny fahafahan’ny rafitra laboratoara eto Madagasikara.

Amin’ny alalan’ity dingana fanombanana sy famolavolana paikady vaovao ity, dia manamafy hatrany ny fanoloran-tenany ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny fananganana rafitra laboratoara matanjaka, mahomby ary vonona hiatrika ireo fanamby ara-pahasalamana, ho fiarovana ny mponina sy fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara.

MIARA-MIASA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. 08-août-2026