MITOHY NY FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
Nihaona tamin’ireo manampahefana amerikanina tao Washington ny delegasiona malagasy, nahitana an’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Randrianambinina Ephraim Stephenson, sy Ramatoa Ambasadaoron’i Madagasikara ao Etazonia, ny 04 Aogositra 2026, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.
Nifantoka tamin’ireo sehatra laharam-pahamehana ny fifanakalozan-kevitra, indrindra ny ady amin’ny VIH/SIDA, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny ady amin’ny tazomoka, ny famongorana ny lefakozatra, ary ny fanaraha-maso sy ny fiatrehana ireo valanaretina.
Mitondra fanantenana vaovao ho an’ny ady amin’ny VIH/SIDA eto Madagasikara ny fanambaran’ny manampahefana amerikanina momba ny famatsiam-bola fanampiny natokana ho an’ity fandaharanasa ity. Hisy ihany koa delegasiona amerikanina ho avy eto Madagasikara hanohana ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fahasalamana.
Ity dingana vaovao ity dia manamafy ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ho fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana ary ho fiarovana ny ain’ny isam-batan’olona.
Sary fanehoana nalaina tao amin’ny Pejin’ny Dépêche Informative Taratra.
MIARA-MIASA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. 09-août-2026