HETSIKA FANAOVANA VAKSINY FAOBE IADIANA AMIN’NY LEFAKOZATRA (POLIO)

Ambovombe – Faritra Androy 10 Aogositra 2026

Tontosa androany, tao amin’ny tokotany malalaky ny DRSP Androy, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika fanaovana vaksiny faobe iadiana amin’ny lefakozatra (Polio) tao amin’ny Faritra Androy.

Nanotrona ny lanonana ireo tompon’andraikitra sy manampahefana isan-tsokajiny, anisan’izany ny Prefet-n’ny Faritra Androy, ny solontenan’ny Governoran’ny Faritra Androy, ireo solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notarihin’Andriamatoa Tale misahana ny Fandaharan’asan’ny Fanaovam-baksiny, ireo manampahefana sivily sy miaramila, ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Haharitra 4 andro ny hetsika amin’ity andiany voalohany ity, manomboka ny Talata 11 Aogositra ka hatramin’ny Zoma 14 Aogositra 2026.

Faritra dimy any atsimon’i Madagasikara no hisitraka izany:
Androy
Anosy
Atsimo-Andrefana
Atsimo-Atsinanana
Ihorombe

Ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 59 volana no kendrena amin’ity hetsika ity. Zaza manodidina ny 1 173 000 no tanjona hotratrarina amin’ireo Faritra dimy ireo, raha eo ho eo amin’ny 216 222 isa kosa ny zaza kendrena ao amin’ny Faritra Androy.

Hizara roa ny fomba fanatanterahana ny fanaovana vaksiny:
Hisy ireo ekipa hanao fanentanana sy vaksiny isan-tokantrano;
Hisy ihany koa ny fanaovana vaksiny eny amin’ireo Tobim-pahasalamana fototra.

Fantaro fa: Atete indroa ao am-bava ny vaksiny Polio.

Ny fahasalamana no fototry ny fampandrosoana. Amin’ny alalan’ny fisorohana, ny fanaovana vaksiny ary ny fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana hatrany ifotony, dia manamafy ny ezaka iombonana isika miaraka amin’ny fiarovana ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy.

ANTSO HO AN’NY RAY AMAN-DRENY SY NY MPONINA REHETRA

Entanina isika handray sy hiara-hiasa amin’ireo mpanao vaksiny, mba hiarovana ny zanantsika amin’ny lefakozatra (Polio) sy handray anjara amin’ny ezaka iombonana ho amin’ny fanafoanana ity aretina ity.

Arovy ny zaza. Arovy ny fiaraha-monina. Arovy ny ho avin’i Madagasikara.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 10-août-2026