Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

SAROBIDY NY AINA ARY ILAINA FANARAHA MASO MANOKANA

750 ireo "Scope multi paramétrique" nozaraina manerana ny Hopitalim-panjakana

120 ECG no tafapetraka eny amin'ny sampana Vonjitaitra ATU manerana ny Nosy

Tsy mitsahatra mitady hevitra hanatsaràna hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ny fitondram-panjakàna amin'ny alalan'ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara miombon’antoka aminy, ka vahoaka salama , firenena mandroso no tanjona .

Mendrika ny tsara indrindra hatrany ny Malagasy ka ho fanatsaràna ny tolotra ara-pahasalamàna dia mitohy hatrany ny famatsiana fitaovana vaovao sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ho sitrahan’ny daholo be.

Ho fanantaterahana izany lohahevitra izany, ny hopitalim-panjakana manerana ny nosy tamin’ity telo volana voalohany ity no nisitraka :

  • Fitaovana antsoina hoe “scopes multi paramétriques " miisa 750, ahafahana manaramaso marary avy niatrika fandidiana na sendra ny fahasarotana ka ilaina fanaraha-maso akaiky no nozaraina mba manampy ireo mpitsabo amin'ny fandraisana an-tanana ny marary
  • Fitaivana fijerena ny fiasan’ny fo antsoina hoe ElectroCardioGramme na ECG miisa 120  no naparitaka any amin'ireo sampan-draharaha misy vonjitaitra na ATU sy ny sampan-draharaha misy fameloman'aina na reanimation, hanampy an’ireo ECG miisa 200 izay nozaraina teo aloha ho an’ny sampa-drahara misy hospitalisation. 

SCM/DIRCOM 27-mars-2024

Zoom sur

Nos autres Activités