ADY AMIN'NY VIH SIDA : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON'NY ONUSIDA.
Noraisin'Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, tao amin'ny toeram-piasany teto Ambohidahy ny Alatsinainy 21 Oktobra 2024, Ramatoa Winnie Byanyima, Tale Mpanatateraka ny ONUSIDA.
Nisongadina nadritra izany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy ny ONUSIDA, ary koa hifanakalozana hevitra momba ny laharam-pahamehana amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA.
Anisan’ny nivoitra tamin’izany resaka izany koa ny Fihaonambe faha-20 momba ny VIH/SIDA ao amin’ny Ranomasimbe Indianina, izay haharitra telo andro eny amin'ny CCI Ivato.
Taorian'ny fihaonana dia nisy ihany koa ny valandresaka niarahana tamin'ireo mpanao gazety , izay nanazavana ny tanjona sy ny hetsika voalohan'ny ONUSIDA ho an’ny faritra.
SCM/DIRCOM 21-oct.-2024