FIRAISANKINA HO AN’NY FISOROHANA ARA-PAHASALAMANA AKON’NY HETSIKA FANAOVAM-BAKSINY FAOBE MIARO AMIN’NY LEFAKOZATRA

Ao anatin’ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny lefakozatra tanteraka i Madagasikara, tanterahina eny anivon’ny fiaraha-monina sy eo anivon’ireo tobim-pahasalamana manerana ny Faritra voakasik’izany. Hita taratra amin’izany ny ezaka iombonan’ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra, hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny taranaka Malagasy.

Ao amin’ireo Faritra dimy (5) eto Madagasikara, maneho ny fahavononana sy ny finiavana hanatanteraka izany iraka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana, hatrany amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana. Na eo aza ireo sedra sy sakana mety hatrehina eny an-kianja, dia mijoro hatrany izy ireo, manatanteraka ny andraikiny amim-pahavitrihana, faharetana ary fanoloran-tena.

Fankasitrahana sy fankaherezana manokana ho anareo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy, izay manolo-tena isan’andro amin’ny fanatanterahana ny iraka ara-pahasalamana, manatona ny mponina eny ifotony ary miantoka ny fahatratrarana ireo ankizy kendrena.

Ny ezaka ataonareo dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy ny fanoloran-tena eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Mety tsy ho hita avokoa ny asa sy ny fandraisana andraikitra rehetra tanterahina eny an-kianja, kanefa samy manana anjara toerana lehibe amin’ny fahombiazan’izao hetsika izao izany.

Ny vokatry ny asa iombonana dia hita amin’ny ankizy voaaro, fianakaviana voaaro ary taranaka Malagasy voaaro, ka manampy amin’ny fanamafisana ny fahasalamam-bahoaka sy ny hoavin’ny firenena.

Araho ny fintina an-tsary ny fanatanterahana ny hetsika teny amin’ireo tobim-pahasalamana fototra samihafa tao amin’ny CSB II Ivohibe, CSB II Maropaika, CSB Kotipa ary CSB I Tanandava.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DRSP IHOROMBE - COMM 12-août-2026