FANDIDIANA NY FITARATRY NY MASO (GREFFE DE CORNÉE) AO AMIN'NY CHU-JRA

Manomboka androany, ary hitohy mandritra ny andro maromaro, ao amin’ny Service d’Ophtalmologie-n’ny CHU-JRA, ny fanatanterahana ny « Greffe de cornée », fandidiana lehibe natao hanarenana ny fahitana ho an’ireo marary manana fahasimbana amin’ny « cornée », fitaratry ny maso, vokatry ny aretina na ratra.

Fandrosoana lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ny fisian’izao hetsika izao, izay maneho mazava ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, amin’ny fanamafisana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana manokana sy manaraka ny fenitra, mba hahafahan’ny Malagasy mahazo fitsaboana tsara kalitao eto an-toerana.

Zava-dehibe ihany koa ny fiaraha-miasa sy ny firaisankina eo amin’ireo sehatra samihafa, ka isaorana manokana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra nahafahana nanatanteraka izao asa izao: ny Hospices Civils de Lyon, Banque de Cellules et Tissus HCL (France), Association Santé et Développement International, ary ireo mpitsabo maso ao amin’ny CHU-JRA, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa mitohy.

Isaorana sy ankasitrahana manokana ihany koa ny ekipa ao amin’ny Sampan-draharaha mitsabo maso « Service d’Ophtalmologie » ao amin’ny CHU-JRA, noho ny fahaiza-manaony, ny fanoloran-tenany ary ny ezaka tsy mitsahatra ataony ho fanomezana fitsaboana ho an’ny marary.

Satria ny fanatsarana ny fahasalaman’ny Malagasy dia fototry ny fampandrosoana. Tohizana hatrany ny ezaka, hametrahana rafitra ara-pahasalamana matanjaka, maoderina ary mamaly ny filàn’ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary :CHUJRA - COMM 12-août-2026