FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA ANY AMIN'NY FARITRA - FANOLORANA FITAOVANA VAOVAO HO AN'NY CHRR BETSIBOKA
Notanterahina androany 12 Aogositra 2026 ny fanolorana fitaovana ara-teknika vaovao ho an’ny CHRR Betsiboka, toy ny table chauffante, couveuse, photothérapie ary monitoring foetal. Notarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra Christian RABESON izany, izay nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Nanotrona ny lanonana Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Tolotra Ara-pahasalamana (DGFS), Andriamatoa Talen’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Betsiboka, ireo manam-pahefana sivily sy miaramila tao an-toerana, notarihin’Andriamatoa Préfet an’i Maevatanana, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana, izay tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, RANDRIANIRINA Michaël, ny vahoaka ao an-toerana, izay angady nananana sy vy nahitana izao fampitaovana izao, ary indrindra ireo mpiara-miombon’antoka miara-mientana ho an’ny fahasalamam-bahoaka, teo ambany fitarihan’Andriamatoa Ambasadaoron’i Japon monina sy miasa eto Madagasikara ary ny Solontena Maharitra JICA eto Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP BETSIBOKA - COMM 12-août-2026