FITILIANA NY BILARZIOZY AMIN’NY TAOVAM-PANANAHAN'NY VEHIVAVY

Ho fahatanterahana ny drafitra stratejika entina hanafoanana ny aretina, ny Fandaharan’asa Miady amin’ny Bilarziozy sy ny Aretina-kankana avy amin’ny Tany dia manome fiofanana ireo tompon’andraikitry ny Fitantanana ny Fahasalamana ara-pananahana ao amin’ny Faritra Boeny sy DIANA, ary ireo Distrikan’i Mahajanga I, Mahajanga II, Marovoay, Ambatoboeny, Ambilobe ary Ambanja.

Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana Ara-pahasalamana (DGMP), Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana, izay haharitra ny 10 hatramin’ny 14 Aogositra 2026.

Tanjona amin’ny fiofanana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara, ka hampitan’izy ireo izany amin’ireo mpisehatra eny ifotony ao amin’ny Distrika misy azy ireo tsirairay avy. Izany dia natao mba hiantohana ny fitiliana mialoha sy ny fitsaboana mahomby ireo marary, ary ny fanajana ireo fenitra ilaina amin’ny fitsaboana ity aretina ity.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP BOENY - COMM. 12-août-2026