PAIKADY FANARAHAMASO SY FITADIAVANA IREO OLONA MITONDRA NY TSIMOKARETINA VIH IZAY EFA AVY NANARAKA FITSABOANA KA TSY HITA (PERDUS DE VUE)

Ho fampiharana ireo tolokevitra mifototra amin’ny tombana mahakasika ny isan’ny olona miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH (Olomiavy) izay manaraka fitsaboana antirétroviral (ARV) eto Madagasikara, dia tonga eto Mahajanga ny ekipan’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fisorohana Ara-pahasalamana (DGMP), Fitaleavana misahana ny Ady amin’ny Aretina Mifindra (DLMT), ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin’ny Aretina azo avy amin’ny Firaisana ara-nofo sy ny VIH (PNLIS) ary ny PSI.

Natomboka ny 10 Aogositra 2026 izany fanaraha-maso izany.

Nisy ny dinika niarahana tamin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana Ara-pahasalamana (DGMP), Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, sy ireo ekipa manatanteraka iraka ary ny ekipa eto amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Boeny, izay nanomezana torimarika ho fanatsarana ny asa, indrindra mahakasika ireo marary tsy hita intsony sy tsy manaraka ny fitsaboana.

Ireo tobim-pahasalamana ho tsidihina dia ny CSI Mahabibo, CSB II Tanambao Sotema, CHU PZAGA Androva ary SALFA Antanimalandy.

Miara-mientana isika ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MAN

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary :DRSP BOENY - COMM. 13-août-2026