MADAGASIKARA MANAMAFY NY FEPETRA HISOROHANA NY FIDIRAN'NY TSIMOKARETINA EBOLA.
Ambohidahy, zoma 14 Aogositra 2026
Notanterahina androany ny fivoriana iraisan’ireo rafitra ara-panjakana voakasika amin’ny fiarovana ara-pahasalamana, izay nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ny fiaraha mientana ny amin'ny fametrahana ny fepetra fanaraha-maso ara-pahasalamana eny amin'ny sisin-tany hisorohana ny fidiran’ny tsimokaretina Ebola eto amin'ny Firenena izay nankatoavina tamin'ny Filankevitry ny Minisitra.
Nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin'ny Fiadidian'ny Repoblika, ny Minisiteran'ny Raharam-bahiny, ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Vola, ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa-tanana, ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, sy ireo Tompon'andraikitra avy amin'ny sisin-tany "frontière", ny mpiasan'ny fahasalamana "DVSSER", ny ekipa COUSP ary ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza.
Nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny tsimokaretina Ebola, ny fomba fifindrany ary indrindra ireo fepetra fisorohana tokony hampiharina ny dinika. Nisy ny fandinihana manokana ny Naoty fampiharana ny fanamafisana ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovana ny tsy hidiran’ny valanaretina eto Madagasikara.
Aretina tena misy, sy hita ao amin'ny kaontinanta Afrikanina, areti-mifindra ary mahafaty ny Ebola, ambony ny taham-pahafatesana ary mety hahatratra hatramin'ny 50%. Noho izany, tsy maintsy hamafisina ny fisorohana, ny fahamailoana ary ny fanaraha-maso, mba hisorohana ny mety hidirany sy hiparitahan’ity tsimokaretina ity eto amin’ny tanin’i Madagasikara.
Amin’ny maha-aretina mampanahy amin'ny sehatra iraisam-pirenena azy, dia mitaky fiaraha-mientana sy fandrindrana akaiky eo amin’ireo sehatra rehetra voakasika ny fisorohana izany.
Nitarika ity fivoriana manan-danja ity, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Ny fandraisana fepetra mialoha no antoka lehibe indrindra hiarovana ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENEN
Ny fitaleavana ny serasera 14-août-2026