FITSIDIHANA NY CHRR AMBOVOMBE.

Nandritra ny dian-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Monira MANAGNA, tao Ambovombe, Faritra Androy, dia nahafoy fotoana, nitsidika sy mamangy ireo mpiara miasa ao amin'ny Centre Hospitalier de Référence Régional (CHRR) Ambovombe ihany koa ny tenany.

Nandritra izany fitsidihana izany dia nandinika akaiky ny zava-misy sy ny toe-draharaha misy ao amin’ity toeram-pitsaboana lehibe misahana ny fahasalamam-bahoaka ao Androy ity Ramatoa Minisitra, ary nihaona tamin’ireo mpisehatra sy mpiasan’ny fahasalamana rehetra tao.

Ity fitsidihana ity dia maneho ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanakaiky hatrany ny sehatry ny fahasalamana eny ifotony, hihaino ireo filàna sy olana sedrain’ny mpiasan’ny fahasalamana, ary hanamafy ny ezaka ho amin’ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.

Mazava ny tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka fa ny fahasalamana no fototry ny fampandrosoana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny fitaleavana Serasera .sary : DRSP ANDROY - COMM. 15-août-2026