FIARAHA MIASA EO AMIN'NY FIRENENA ENTIM-BAHOAKA SINOA SY NY FIRENENA MALAGASY EO AMIN'NY LAFIN'NY FAHASALAMANA
Mizotra soa aman-tsara ny dia fifanakalozana sy fiofanana "seminaire" ataon'ireo Delegasiona Malagasy miisa 20 any Chine.
Ny dinika ifampizarana any moa mahakasika ny fampihenana ny taha-pahafatesan'ny reny mitondra vohoka sy ny zaza ary ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza amin'ny ankapobeny, izay andraisan'ny Firenena Afrikana miisa 8.
Izao hetsika izao moa natao ny amin'ny fanatsarana ny fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza any ifotony eto amin'ny Firenena, satria Tompon'andraikitra sy mpiasan'ny fahasalamana avy any amin'ny Faritra samihafa no lasa manampy traikefa any izao.
Hisaorana ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran'ny Raharam-bahiny ary ny Governemanta Sinoa amin'izao hetsika mitsinjo ny fahasalamam-bahoaka izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny fitaleavana Serasera. Sary : Delegasiona Malagasy (MSANP) any Chine 16-sept.-2026