FITSIDIHANA OFISIALY TAO AMIN’NY DISTRIKAN’AMBOASARY ATSIMO
Tao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo no nanatanterahana ny fitsidihana ofisialy, niarahana tamin’ireo mpikambana sasany tao amin’ny Governemanta, anisan’izany ny Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Monira MANAGNA, ary ireo Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana.
Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana mahakasika ny fiainan’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ny Distrika ny fitsidihana. Teo amin’ny sehatry ny fahasalamana manokana, dia nojerena akaiky ireo fotodrafitrasa, ny fitaovana ary ny tolotra ara-pahasalamana, mba hahafahana mamantatra ireo filàna sy fanatsarana mbola ilaina.
Natao ihany koa izany mba hanamafisana ny fifampidinihana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraikitra foibe sy ireo solontenan’ny vahoaka eny ifotony, ho famaliana ny hetahetan’ny mponina.
Fiaraha-mientana, fahasalamana ary fampandrosoana ho tombontsoan’ny vahoakan’Amboasary Atsimo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : Solombavambahoakan'i Amboasary Atsimo - COMM. 16-août-2026