(BARRAGE SANITAIRE) : ADY AMIN’NY MPOX | FARITRA AMBATOSOA - MAROANTSETRA
Noho ny fisian’ny olona ahiana ho voan’ny MPOX tao anaty sambo "MS Yoan", avy any Toamasina, dia nidina ifotony avy hatrany ny OMC, notarihin’ny Solontenan’Andriamatoa Préfet, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny Fahasalamana notarihin’i Dr. TAMBY Patino Larissa, Médecin Inspecteur mpisolo-toerana.
Narindra avy hatrany ny sakana ara-pahasalamana "barrage sanitaire", sy namafisina ny fanaraha-maso ireo mpandeha sy ny mpiasa tao anatin'izany sambo izany.
Nampahafantarina sy nampiharina ny fihetsika sakana "geste barrière" sy ireo karazana fepetra fisorohana, ho fiarovana ny fahasalaman'ny rehetra.
Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ara-pahasalamana atao ao amin'ny Distrika "SDSP Maroantsetra", miaraka amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izany.
Izany moa ny natao, mba hisorohana ny mety ho fiparitahan’ity valanaretina MPOX ity ao amin'ny Faritra sy ny manodidina azy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP ANALANJIROFO - MAROANTSETRA - COMM. 17-août-2026