FITILIANA NY HOMAMIADAN'NY VOZON'NY TRANON-JAZA - DISTRIKAN'ANDAPA

Tanteraka androany 17 Aogositra 2026 tao amin'ny Hôpitalibe Andapa ny fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ho an'ny vehivavy 30 taona ka hatramin'ny 65 taona.

Izany dia notontosain'ny "Clinique Saint Damien Ambanja" sy ny mpiara-miasa ao Andapa. Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana ho an'ireo zaza sy olon-dehibe.

Teo ihany koa ny fanaovana "échographie", ary maimaimpoana avokoa ny tolotra rehetra nomena, hatramin'ny fanafody.

Marihina fa ho fiarovana ny vehivavy amin'ny viriosy HPV no natao lohalaharana, ka napetraky ny mpiara-miombon'antoka daholo ny lamina rehetra, manomboka amin'ny fakana ireo singa hatramin'ny fikarohana azy ireo any amin'ny laboratoara Ambanja.

 

Marihina fa ny Clinique Saint Damien Ambanja no miantoka ny fandaniana rehetra ho an'ny marary, mankany Ambanja mandrapahatongan'ny fahasitranana.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANAVAOZANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : SAVA 17-août-2026