Hetsika fanaovam-baksiny ho fisorohana ny Mpox sy Fitiliana VIH/SIDA – ESPA Vontovorona

Ao anatin'ny ezaka fanamafisana ny ady amin'ny aretina Mpox ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin'ny mpiara-miombon'antoka aminy, izay mbola misy eto amin'ny Faritra Analamanga.

Manoloana izany dia manatanteraka hetsika sosialy tsotra sy manatona ny vahoaka ho fanomezana ny tolotra fanaovana vaksiny miady amin'ny Mpox sy ny fitiliana an-tsitrapo ho an'ny VIH/SIDA ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin'ny fanohanan'ny Governemanta Amerikana amin'ny alalan'ny tetikasa STRIDES.

Toerana : Anjery Manontolo, Vontovorona

Daty : 18 sy 19 Aogositra 2026

Ora : Manomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora hariva.

Ity hetsika ity dia natao hiarovana ny fahasalaman'ny tsirairay sy hampihenana ny fiparitahan'ny aretina eo anivon'ny fiarahamonina, indrindra ho an'ny tanora sy ny mpianatra.

Ankoatra izao hetsika atao ao amin'ny ESPA Vontovorona izao, dia hisy ihany koa ny hetsika fanaovana vaksiny Mpox sy fitiliana VIH/SIDA hatao eny amin'ireo oniversite any amin'ny Faritra enina (6) eto Madagasikara, ho fanitarana ny ady amin'ny Mpox sy fanamafisana ny fisorohana eny anivon'ny tanora sy ny toerana betsaka mifamezivezy tahak'izany.

Maimaimpoana ny tolotra rehetra.

Tazonina ho tsiambaratelo tanteraka ny valin'ny fitiliana VIH/SIDA.

Miaro ny tena sy ny fiaraha-monina ny fanaovana vaksiny sy ny fitiliana mialoha.

Manentana antsika rehetra hanatona sy hanararaotra izao tolotra ara-pahasalamana izao.

Ny fisorohana no antoky ny fahasalamana.

Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin'ny fanohanan'ny Governemanta Amerikana amin'ny alalan'ny STRIDES, miara-misalahy mitsinjo ny fahasalamam-bahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 19-août-2026