FANAMAFISANA NY PAIKADY AMIN’NY FIAROVANA NY SISIN-TANY AMIN’NY ARETINA MIFINDRA

Tanteraka teto anivon'ny renivohitr'i Boeny ny dingana voalohany amin’ny fametrahana fomba fiasa vaovao entina hanamafisana ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha ireo aretina mifindra, indrindra ireo mety hiditra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fivezivezen’ny olona.

Nandritra ny telo volana, dia notanterahina tao amin'ny Faritra Boeny ny fanadihadiana sy fanangonana antontan'isa momba ny Mpox sy ireo aretina hafa, nifantoka tamin’ireo olona niditra sy nivoaka ny Faritra.

Nahatratra 24 006 ireo olona niditra ary 10 540 ireo nivoaka nandritra izany vanim-potoana izany. Ny fahafantarana an'ireo dia hahafahana mamantatra mialoha ireo tranga mampiahiahy.

Tsy kisendrasendra ny nisafidianana an’i Mahajanga satria anisan’ireo toerana be mpivezivezy izy ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fivezivezen’ny olona miditra sy mivoaka ny Nosy. Ankoatra izany, teto Mahajanga ihany koa no nahitana ny tranga Mpox voalohany.

Izany rehetra izany dia tanterahina ao anatin’ny fomba fiasa “Une Seule Santé – One Health”, izay mampifandray ireo sehatra samihafa mba hamaliana haingana sy mirindra ny loza ara-pahasalamana.

Dingana lehibe no vita satria voapetraka ny fomba fiasa iraisana manoloana ny fitiliana mialoha ireo tranga mampiahiahy, ary nihamafy ny fanaraha-maso ireo mpivezivezy miditra sy mivoaka amin'ny alalan'ireo mpisehatra eny ifotony.

Mahajanga no nanombohana, fa ny tanjona dia ny hahatratra ny sisintany rehetra manerana ny Nosy.

Nandritra ny andro voalohany no nizarana ny vokatry ny fanadihadiana sy ny lesona azo. Ny andro faharoa kosa dia natokana ho an’ny fampiofanana ireo mpanentana ara-pahasalamana, izay isan’ireo lohalaharana eny ifotony amin’ny fanatanterahana ny fitiliana, fanentanana ary fanaraha-maso.

Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny IOM Madagascar & Comoros ary ny OMS.

Nanome voninahitra ny atrik'asa ny Incident Manager eto Mahajanga, ny Talem-paritry ny fahasalamana mpisolo toerana, ny Vice PDS, ny Prefektora mpisolo toerana, ny Chef de Mission OIM ary ny OMS.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 20-août-2026