IKONGO – FANOKAFANA NY FIZARANA MITOHY NY LAY MISY ODIMOKA MAHARITRA HO AN'IREO SOKAJIN'OLONA MAREFO (RENY MITONDRA VOHOKA SY NY ZAZA...)

Taorian’ny fanolorana ireo lay misy odimoka maharitra avy amin’ny Governemanta Amerikanina tamin'ny volana Jolay, dia tao amin’ny Distrikan’Ikongo no nanaovana ny lanonana ofisialy hanombohana ny fizarana izany lay izany ho an'ny vahoaka Malagasy.

Androany Alakamisy 20 Aogositra 2026 no fotoana nifanomezana ny amin'ny fidinana ifotony, izay notarihan'Andriamatoa Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kôlonely Gervais ANDRIAMIHARITSOA, niaraka taminy tamin'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, notronon'ireo Tompon'andraikitra ambony isan-tsokajiny, nahitana an'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra Fitovinany, ny Ben'ny Tanànan'Ikongo sy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy ao an-toerana ary ireo mpiara-miombon'antoka.

Ny fanafoanana ny tazomoka eto Madagasikara dia isan’ireo laharam-pahamehana sy fanamby lehibe apetraky ny Fitondram-panjakana. Mba hahatratrarana izany tanjona izany dia namafisina hatrany ireo paikady sy fepetra entina miaro ny mponina amin’ity aretina ity, indrindra ireo vondron’olona marefo.

Ao anatin’izany ezaka izany no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana mitohy ny lay misy odimoka maharitra eny anivon’ireo Tobim-pahasalamana fototra.

Tao amin'ny Kianja Kaominina Ambonivohitr’Ikongo no nanatanterahana ny lanonana fanombohana izany hetsika fanamafisana ny ady atao amin’ny tazomoka izany.

Nosafidiana manokana ny Distrikan’Ikongo, noho izy mbola ambony ny tahan’ny tazomoka ary maro ireo mponina voasokajy fa marefo sy tena atahorana ho tratran’ny tazomoka no kendrena voalohany amin’ity fizarana ity. Moa tsaroana tokoa ireny tranga nampalahelo nandalovan'Ikongo, ao anatin'izany no tsy hanekentsika intsony ny ain'ny Malagasy maty noho ny tazomoka.

Na izany aza, tsy hijanona eto Ikongo ihany ny ezaka. Tobim-pahasalamana miisa 2 768 ao amin'ny 110 Distrika no hahazo ireo lay misy odimoka 1 470 250 isa, mba hanamafisana ny fiarovana ny mponina sy hampihenana hatrany ny fiparitahan’ny aretina, satria Malagasy tsy ho fatin'ny tazomoka no tanjona.

Nandritra ny fotoana androany, dia nisy ihany koa ny fanolorana hetsika sosialy maimaimpoana hanatonana ireo vahoaka, toy ny fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeny, fisafoana ireo vehivavy mitondra vohoka, fanaovam-baksiny, fijerena ny fahasalaman'ny nify sy ny ati-vava, fitiliana maro samihafa ary ny fanentanana ho amin'ny fisorohana ny aretina.

Izao hetsika izao dia hiarahan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Amerikanina izay mamatsy ny (MCGL, PMI-Evolve, PSM), ny ASOS, ny MSF ary ny OMS.

Mitodika manokana amin'ny mpiasan'ny fahasalamana hatramin'ireo mpanentana ara-pahasalamana ny amin'ny andraikitra masina sahan'izy ireo, mankahery sy mankasitraka ny amin'ny fanoloran-tena amin'ity ady amin'ny tazomoka ity.

Isika vahoaka andao isika, hatory anaty lay misy odimoka, hampiasa ny lay amin'ireo tena ilana azy fa indrindra hanaraka ireo toromarik'ireo Tompon'andraikitra ara-pahasalamana ny amin'ny fisorohana rehetra tokony atao amin'ny tazomoka ary aza adino ny manatona ny Tobim-pahasalamana raha misy toe-pahasalamana hafahafa ianao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP GITO 20-août-2026