MIARA-MIROSO AMIN’NY FIAROVANA AMIN’NY MPOX!
Quai Orange, Port International sy ny Aéroport International Mahajanga | 19 sy 20 Aogositra 2026.
Ho fanamafisana ny fisorohana ny Mpox sy ny fifehezana ireo aretina mety hiparitaka amin’ny alalan’ny fivezivezen’ny olona, dia nanatanteraka hetsika ara-pahasalamana tao Mahajanga ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ny IOM Madagascar & Comoros, Croix-Rouge ary ny OMS.
Maro ireo olona vita vaksiny Mpox sy nanao fitiliana VIH/SIDA tao anatin’izany, teny amin’ny Quai Orange, ka nisy nahitana valiny voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Nisy ihany koa ireo olona very ka hita indray, antsoina amin’ny teny vahiny hoe « perdu de vue ».
Notohizana teny amin’ny Port International Mahajanga izany hetsika izany, izay nanamafisana hatrany ny fanaovam-baksiny sy ny fitiliana maimaim-poana.
Nandray anjara avy hatrany tamin’ny fandraisana vaksiny ihany koa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Andriamatoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, rehefa nazavaina taminy ny tombontsoa sy ny fiarovana azo amin’ny fanaovana vaksiny Mpox.
Ny fiaraha-mientana no hery lehibe indrindra amin’ny fisorohana sy famongorana ny Mpox eto Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 20-août-2026