FANATSARANA NY FAHOMBIAZAN’NY HOPITALY

Nitohy androany 20 Aogositra 2026, tao amin’ny Hotel Le Pavé Antaninarenina, ny fifanakalozan-kevitra momba ny fitantanana sy ny fanatsarana mankany amin’ny fahombiazan’ny hopitaly.

Nizara ireo olana sy filàna sedrain’ireo toeram-pitsaboana sahaniny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny toeram-pitsaboana lehibe toy ny Centre Hospitalier Universitaire (CHU), Centre Hospitalier Régional (CHR) sy Centre Hospitalier de District (CHD) manerana ny Nosy.

Noraisin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Randrianambinina Ephraïm Stephanson, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny lafin’ny fitantanana ireo hopitaly ireo, ny fitakiana mba hahafahany mitondra izany eo anivon’ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny, amin’ny fanolorana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy.

Teo ihany koa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera isan-tsokajiny nandray ireo fitakiana sy filàna ireo, toy ny Fitaleavana Jeneraly misahana ny Loharanon-karena (DGR), ny Fitaleavana misahana ny Raharaha Ara-dalàna (DAJ), ny Fitaleavana misahana ny Andrimaso ara-pahasalamana, Fanaraha-maso ny Valanaretina ary Fiatrehana izany (DVSSER), ary ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana sy Fahadiovana.

Hamafisina fa tsy voafetra amin’ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny vokatra azo ny fahombiazan’ny toeram-pitsaboana. Tafiditra amin’izany ny fiahiana sy ny toe-piainan’ny mpiasan’ny fahasalamana, ny fanatsarana ny tontolon’ny asa, ny fotodrafitrasa ary ny fahazoana ireo loharanom-bola anatanterahana ireo vahaolana ireo.

Hanatanterahana izany dia nandray anjara tamin’ity fifanakalozan-kevitra ity ireo mpiara-miombon’antoka, ahafahan’izy ireo mandray ny filàna isaky ny toeram-pitsaboana, mba handinihan’izy ireo ny fanohanana sy famatsiam-bola ilaina, ao anatin’ny fiaraha-mientana amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo vahaolana.

Anisan’izany ny OMS, UNFPA, ireo tetikasa vatsian’ny Governemanta Amerikanina (STRIDES, JHPEIGO, Reach Malaria), ny Chaîne de l’Espoir ary ny Fikambanana Salama.

Ny tanjona amin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia ny hamahana ireo olana eo anivon’ny toeram-pitsaboana, ahafahan’izy ireo manome fitsaboana tsara kalitao ho an’ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. 20-sept.-2026