TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA TSARA KALITAO HO AN’NY REHETRA

Mitohy ireo ezaka fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ny fanatsarana hatrany ny fahasalamam-bahoaka.

Laharam-pahamehana hatrany ny fahasalamam-bahoaka.

Dingana iray lehibe ho an’ny CHRD Andapa ny fisitrahana ireto fitaovana maro isan-karazany ho an’ny laboratoara ireto.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka izay imasoan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanamafisana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana manerana ny Nosy.

Fampitaovana izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Proximed.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny fitalevana ny Serasera. Sary : DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins 21-août-2026