FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA - FARITRA ATSIMO ATSINANANA
Migadona tao Farafangana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël, mivady. Niaraka taminy tamin’izany ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Kôlonely Gervais ANDRIAMIHARITSOA, sy Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Nanotrona izao fitsidihana izao ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan’ambaratongany avy ao amin’ny Faritra, ary hita tao ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny vahoakan’i Farafangana.
Namafisin’ny Fitondram-panjakana ny maha laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka, satria nisy fanolorana fitaovana ho fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana. Tao anatin’izany fanolorana izany dia nisy fiara tsy mataho-dalana miisa enina (6) ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana sy ny Distrika, ary moto miisa 115 ho an’ny Distrika miisa dimy (5).
Nisy ihany koa ny fihaonana nataon-dRamatoa Minisitra tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, nijerena teboka vitsivitsy toy ny :
- Fisaorana sy fankaherezana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay manao ny ainy tsy ho zavatra, manompo sy mikarakara ireo mpiara-belona.
- Fikarakarana ny « Indemnité de risques » ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
- Ny mahakasika ny « Poste budgétaire » ho an’ireo « Bénévoles », izay ezahina hampitomboina.
Mbola maro, hoy Ramatoa Minisitra, ny ezaka atao amin’ny fikarakarana ireo mpiasan’ny fahasalamana, ary an-dalam-panatanterahana izany ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera.
Mankahery sy mankasitraka hatrany ny ezaka ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny adidy masina ho an’ny mpiray tanindrazana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Manao tongotra miara-mamindra amin’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ireo mpiara-miombon’antoka ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
Ny fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP ATSIMO ATSINANANA - COMM. 21-août-2026